Hisy fivoriana momba ny aretina notsinontsinoavina mpiseho amin’ny tany mafana any Abidjan, ny volana novambra ho avy izao, karakarain’ny tambajotra Remapsen. Ahitana ireo mpanao gazety misehatra amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana aty Afrika izany.
Fivoriana andiany fahefatra sahanin’ny Remapsen izy ity, hanomezana vahana ny karazana aretina tsy voaresaka loatra amin’ny fampitam-baovao samihafa voizin’ny mpanao gazety. “Ny anjara toeran’ny mpanao gazety manoloana ny ady amin’ireo aretina miseho amin’ny tany mafana notsinontsinoavina (MTN) aty Afrika” ny lohahevitra nosafidina mandritra izany, hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Remapsen, Bamba Youssouf. Haharitra hateloana ny fivoriana any an-toerana, iarahan’ny mpanao gazety 70 avy amin’ny firenena 35 aty Afrika, misy ny tambajotran’ny Remapsen. Hanohana azy ireo amin’ny fanomanana ny fivoriana ny Speak Up Africa sy ny Sightsavers izay rafitra roa misehatra amin’ny ady amin’ny aretina miseho amin’ny tany mafana notsinontsinoavina, araka ny fampahafantarana tany Abidjan momba ny hetsika. “Tonga amin’ny fotoana tena ilana azy ny fisafidianana ny lohahevitra MTN satria manana anjara andraikitra lehibe ny mpanao gazety amin’ny fanentanana sy ny haitaky amin’ny mpanapa-kevitra sy ny mpiray ombon’antoka momba ny ady”, hoy ny tale mpandrindra ny fandaharanasa nasionaly ho famongorana ny habokana ao Côte d’Ivoire, Dr Dizoé.
Mandritra izany fivoriana izany no hilazana ny anaran’ny mpanao gazety afrikanina mendrika amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny tontolo iainana sy ny firenena nisongadina indrindra amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasan’ny Remapsen, araka ny nambaran’ny talen’ny Awards, Line Renée Batongué. Manana tambajotra Remapsen i Madagasikara, izay niditra ho anisan’ny firenena manatanteraka ny fandaharanasa nanomboka ny taona 2021.
Vonjy