Higadona eto Madagasikara androany ny filohan’ny Slovenie. Fitsidihana faharoa nataona lehibe na filoha avy amin’ny Vondrona eoropeanina. Marika izany fa tsy mikely soroka ny diplaomasia malagasy mikarokaroka izay hivelarana amin’ny firenena vahiny. Izay rahateo ny politikan’ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fotoana. Mivelatra amin’ny vazan-tany efatra.
Raha ny fantatra, firenena tsy mbola manana fiaraha-miasa amin’i Madagasikara izy ity. Miezaka ny mametraka fisokafana ny Malagasy. Mikaroka varavaran-kidirana hafa ny Slovène. Tafaray ny tia sy ny manina. Raha ny tsilian-tsofina heno. Am-polony ireo minisitera mahaliana azy ireo manokana. Betsaka ny tetikasa tiany hotanterahina eto amintsika.
Miankina amin’ny fahaizana mifandresy lahatra sy manao adisisika, araka izany, ny ho tohin’ny zava-drehetra. Tsy sanatrian’ny vava ka ny hanateran-kira indray no hilaza tsy mahay handihy. Tsy ny homem-boninahitra no handraraka ilo mby an-doha. Mila mihetsiketsika toy ny mahazatra Ramalagasy. Fitia mifamaly rahateo io ka mety hahatsara zavatra.
Tsy hoe tia vao akory, fa mbola manimanitra ny fiaraha-miasa ka heverina fa tsy hifanambaka ny andaniny sy ny ankilany. Toy ny mpivady vao rahateo io ka rehefa teny ierana dia mety hatrany. Mila mahay miady varotra fotsiny, tsy hataon’ny valalabemandry ho mpanao varo-boba ny tanindrazana eo indray.
Mbola karazana vava asa rahateo io ka izay tsy mahay manararaotra no ratsy vokatra amin’ny taom-piotazana. Manana ny traikefa ara-diplaomatika sy ny fahaiza-manao ny Malagasy, inoana sy antenaina fa tsy ho ambakain’ny vahiny. Matoa izy ireo mipopopopo mitady fiaraha-miasa, aza hadino fa goavambe ny tombom-barotra tadiaviny.
Mandray ny lalao eto an-tanàna ny Malagasy, any aminy izany ny baolina ka asakasak’izay tsy hahay handaka, hikendry ny tsatoby hamonoana izany.
r.r