Nisantarana ny hetsika ho amin’ny Iray volan’ny ankizy ny fidinan’ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie, tany Toamasina. Namangy ireo ankizy marefo mipetraka amin’ny akany izy ireo.
Notokanana tamin’izany koa ny trano fatoriana vaovao ho an’ireo zaza tsy manan-kialofana, 5 ka hatramin’ny 8 taona, ho an’ny akany Enfant du Soleil avy amin’ny Fondation Axian. Nitsidika ireo olana beazina ao amin’ny akany Orchidée Blanche ihany koa ny tenany. Ankoatra izany, nisy ny famangiana ireo ankizy nisy nanary sy tsy misy mpiahy raisina an-tanana ao amin’ny Maison Antoine.
Miisa 150 ireo ankizy marefo, araka ny sokajiny, nomena tantsoroka ara-tsakafo ho fanohanana ny andavanandrom-piainan’izy ireo. Nankasitrahina manokana ny fandavantena ananan’ireo mpikarakara, ny minisitra, ary nankahery ireo ankizy mba hilofo amin’ny fianarana, hahafahan’izy ireo manana hoavy mamiratra kokoa.
Tetsy andaniny, nitafa tamin’ireo fikambanam-behivavy ao Toamasina ihany koa ny minisitra.
Tatiana A