VAOVAO TAMBATRA

Tsy mitsaha-mitotongana ny vola malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 5 170,68 Ar ny sandan’ny euro eo amin’ny tsena fifanakalozam-bola. Porofo izany fa tafalatsaka ambany ny toekarena sy ny famokarana eto amin’ny firenena. Midangana ny vidim-piainana, miaina anaty fahantrana ny ankamaroan’ny Malagasy, miankindoha betsaka amin’ny fanafaram-bokatra ihany koa isika.

Diso fanantenana tamin’ny vidin-tsolika vaovao ny ankamaroan’ny mpanjifa. Nanantena fidinana 200 Ar isaky ny litatra ny rehetra handrindrana ny fandaniana ho an’ity volana ity. Lasibatra tanteraka ny mpanjifa, fa indrindra ireo mpandeha zotra nasionaly izay nampiakatra saran-dalana nanomboka ny alahady teo. Manao antso avo hijerena ny zava-misy ny mponina fa tsy mifanaraka amin’ny tolotra ny sarany haloa.

Ambany ny taham-pisotroan’ny Malagasy ronono. Mahatratra 7 litatra isan’olona, isan-taona, izany raha 40 l isan-taona ao Afrika ary tafakatra 60 l izany any Eoropa. Zava-dehibe ny fampiroboroboana ny seha-pihariana hanatrarana ny tanjon’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Natomboka tao Antsirabe, ny zoma teo, ny fanamafisana ny fampiroboroboana ny rojom-pihariana ronono.

Partager sur: