VIH/Sida sy ny homamiadana mpahazo ny vehivavy : Hiara-miasa ny ONUSida sy ny Fondation Akbaraly

Nanao sonia ho fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny fiaraha-miasa stratejika ho an’ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara sy ny faritry ny ranomasimbe Indianina, tao amin’ny trano iombonan’ny Firenena mikambana, ny ONUSida sy ny Fondation Akbaraly. Mikendry ny hanamafisana ny fidirana amin’ny fisorohana, ny fitiliana ary ny fikarakarana ny VIH/Sida sy ny homamiadan’ny vehivavy izany. Hatao laharam-pahamehana ny vahoaka marefo, indrindra ny vehivavy sy ny tanora. Ity fiaraha-miasa ity dia anisany amin’ny vina iombonantsika: tsy misy otrikaretina vaovao, tsy misy fanavakavahana, tsy misy fahafatesana mifandray amin’ny Sida.
Araka izany, “amin’ny alalan’ny fampifangaroana ny fahaiza-manaontsika, afaka manafaingana ny fandrosoana eo amin’ny fahasalamana sy ny fitoviana isika”, hoy ny tale ao amin’ny ONUSida, Jude Padayachy. Etsy ankilany, “Amin’ny alàlan’ny tobim-pitsaboana sy ny sampana finday, mampihatra vahaolana mivaingana izahay mba ha­monjena aina», hoy ny tale mpanatanteraka ao amin’ny Fondation Akbaraly, ny Dr Francesco Cimino.

Ninah (mpianatra asa)

Partager sur: