190 taona aty aoriana : Hivoaka ny boky “Voambolan’ny Baiboly”

Feno 190 taona (1835 – 2025) amin’ity taona ity ny nahavitana ny fandikana ny Baiboly. Fironana ankehitriny efa taona vitsivitsy izay ny famoronana voambolana vaovao. Ny famoronana anefa tsy tokony hitarika any amin’ny fanadinoana ireo voambolana efa nisy. Hotontosaina ny alarobia 11 jona izao, amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy, ny famoa­hana ny boky “Voambolan’ny Baiboly” hamohazana indrindra ireo voambolana ao ana­tin’ny Baiboly izay tsy fandre firy intsony ankehitriny. Asa goavana manoloana ny fampitiavana sy fampivelarana ny teny malagasy, notanterahin-dRado Ramaherison.
Novakiana manontolo ny Baiboly. Nangonina ny voambolana. Nirosoana ny fanazavana azy ireo ka nampiasaina tamin’izany ny Rakibolana malagasy (Régis Rajemisa Raolison), ny Rakibolana Raki-pahalalana (Akademia Mala­gasy), ny Diksionary amin’ny Baiboly (nalahatr’i Rév. James Sibree, Misionary avy amin’ny L.M.S) ary ny Firaketana dia ny Firaketana izay nandrai­san’ny raiamandreny Mpitan­drina Ravelojaona anjara ny nandrafitra azy.
Ny lalan-tsaina “Mitady ny very” sy ny tenin’izany raiamandreny izany nanao hoe “Ny Teny malagasy no zavatra rehetra an’ity firenena ity” no ainga sy tari-dalana tamin’ny fanoratana ny “Voambolan’ny Baiboly”.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: