Efa nanainga omaly alina, nihazo any Afrika Atsimo, hamonjy ny fifaninanana afrikanina ho an’ny faritra atsimon’i Afrika “Cosafa”, ny Barea A’. Mpilalao 23 nantsoin’ny mpanazatra Rôrô tamin’izany.
Nivoaka omaly, alina, tao amin’ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny lisitry ny Barea, izay hiatrika ny Cosafa 2025, hatao any Afrika Atsimo, ny 4 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Mpilalao 23 no natsoin’ny mpanazatran’ny ekipa nasionaly, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, tamin’izany. Mbola baraingo hatreto ny resaka mpiandry harato izay handimby ny toeran’i Nina, ity farany izay lasa mpilaravinahitra atsy La Reunion.
Araka ny tazana omaly, mpiandry tsatoby telo no nantsoin’ny Coach Rôrô, anisan’
izany i Manda Hasina na i Bota, avy ao amin’ny Ajesaia sy i Mickael, CFFA Andoharanofotsy, ary i Lalain’Arinjaka Michel na i Toldo, Elgeco Plus. Fotoana hitsapana azy telo miarahalahy, araka izany, ny Cosafa 2025. Tsiahivina fa natao hanomanana ny Chan, izay hatao ny volana aogositra ho avy io ity fifanintsanana afrikanina ity. Ao amin’ny vondrona “C” moa i Madagasikara ka miray vondrona amin’izy ireo, i Tanzania sy i Eswatini.
F.R
Ireo mpilalao 23 nantsoin’ny Coach Rôrô :
Mpiandry harato :
Ratsimbazafy Manda Hasina, Rakotoarimanana Mickael Prosper, Ramandimbisoa Michel.
Vodilaharana :
Randriamanampisoa Rijaniaina Nicolas, Rabarijaona Tantely Avotriniaina, Rabearivelo Bono Stephano, Amourson Andriniaina Aurelien, Ratsimbazafy Hajatiana Claude, Rakotonandrasana Fanomezantsoa Roland, Randrianirina Toky.
Afovoany :
Rakotoson Mamisoa Alexandre, Ramamonjisoa Onja Andrianina, Rafanomezantsoa Lalaina, Rakotoarisoa Tiaviana Mickael, Arohasina Andriamirado, Razafimahatana Nantenaina, Razafimanana Jhon Christiano, Tokiniaina Tinoh, Hasinirina Onjaniaina Patrick, Rajaonarivelo Rayan Hery.
Lohalaharana :
Rakotondraibe Tokiniana, Razafimaro Fenohasina Gilles, Manoatsoa Félicité