“Tsy nangarahara ny fizotran’ny fifidianana ireo mpikambana mandrafitra ny CNIDH natao farany teo”, hoy Ramananirina Wilfried. Anisan’ny nandray anjara tao anatin’izany ny tenany. Nahatsapa goragora sy fanararaotam-pahefana teo amin’ny mpikarakara sy ny vaomiera mpanomana ary ireo teknisianina teo amin’ny minisiteran’ ny Fitsarana izy.
Tsy nisy PV ny fifidianana, tsy mazava ny isan’ny mpifidy sy ny mpandatsa-bato… 7 monja amin’ireo fikambanam-behivavy aman-jatony manerana ny Nosy no afaka nandatsa-bato. Be dia be ny fikambanana nahintsana ary amin’ny fomba tsy mazava no nanaovana izany. Fikambanam-behivavy 3 izany no hisolo tena ny vehivavy eny anivon’ny Firenena mikambana. Olona 7 no nandray anjara amin’ny fiarovana ny ankizy. Toraka izany ny nahazo ny fikambanana miaro ny olona manana fahasembanana…
“Mandoto ny minisitera ny fiasan’olom-bitsy tao anatin’io fifidianana io”, hoy hatrany izy. Miantso ny minisitra sy ny filoham-pirenena ny mpiaro ny zon’olombelona hijery akaiky ny zava-misy ary handray fepetra hanarenana ny lesoka.
Betsaka ny fiarahamonimpirenena velon-taraina fa very zo sy voahitsakitsaka ny hasiny ary nalaina baraka tany anaty biraom-pifidianana. Betsaka ihany koa ny zavatra tsy ara-dalàna tao amin’ny fiasan’ ny vaomieran’ny fifidianana, rah any fanazavana nentiny.
Tatiana A