Fikambanana IYAFP: Fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny

Any amin’ny faritra Atsimo, 10 na 11 taona dia efa mitondra vohoka ny zatovovavy. Tsy mahalala ny momba ny vatany sy ny fahasalamana ara-pananahana akory ny ankamaroan’izy ireo. Antony nitondran’ny tanora IYAFP fanabeazana ara-pananahana.

Enim-bolana ny fahare­tan’ny fandaharanasan’ ny International Youth Alli­ance for Family Planing (IYAFP), izay vondrom-pikambanana tanora misehatra amin’ny fanabeazana feno ara-pananahana, ny zo ary ny fahasalamana ara-panana­han’ny tanora. Tetikasa tohanan’ny masoivohon’i Royau­mes Unis izany, hanatanterahana fanabeazana ara-pananahana feno ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny, mia­raka amin’ny dinidinika atao amin’ny fiarahamonina. Nia­rahana tamin’ny mpitarika eny amin’ny fiarahamonina, ny mpiasan’ny fahasalamana, ary ny fikambanam-behivavy misehatra amin’ny fanabea­zana ara-pananahana izy ity. Fokontany 15, amin’ny distrika telo: Ma­nanjary, Ambovombe ary Toliara, izay ahitana ny vohoka aloha loatra betsaka eto Madagasikara no niasana. Eto amintsika, araka ny fanadihadiana EDS 2021, tovovavy 1 amin’ny 3 no efa mitondra vohoka mialoha ny faha-18 taona ka tena ilaina ny fanabeazana feno ara-panana­hana. « Teny anivon’ny fiarahamonina no nanatanterahina izany isaky ny sabotsy sy alahady, niarahana tamin’ny tanora mpikambana ao amin’ ny IYAFP amin’ireo distrika ireo », hoy ny fanazavan’ny mpandrindra lefitry ny fikambanana,  Ramparaoelina Tendry.
Noresahina avokoa ireo lohahevitra manodidina ny fanabeazana feno ara-pananahana ka nizarana izany ho roa, ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny. « Hitohy ny fanabeazana amin’ny fokontany tsy mbola nisitraka ary efa feno ny fandaharam-potoana hatramin’ny faran’ny taona », hoy ny point focal ao Toliara,
i Vola. Tsy vitsy koa ny ray aman-dreny voaofana no maka torohevitra amin’ny fikambanana. Nandritra ny fandaharanasa, tanora 330 sy ray aman-dreny 307 no nahazo fiofanana ho an’ny distrika telo. 600 ny boky fanabea­zana nozaraina.

Vonjy

Partager sur: