Taorian’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa stratejika eo amin’i Madagasikara sy Japon, tamin’ny alalan’ny Jica, ny 28 mey lasa teo, tontosa tamin’ity herinandro ity ny fanaovan-tsonia fifanekena eo amin’ ny roa tonta. Momba ny fanomezana fitaovana teknika ho an’ny Lycée téchniques professionnels an’Alarobia, Ampasampito ary Toamasina izany. Hetsika natao tao amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola.
Nanatanteraka izany sonia izany ny solontenan’ny Jica eto Madagasikara, Odawara Kosuke, sy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo. Nanatrika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline.
Dingana lehibe ho an’ny fanamafisana ny fikarakarana ny olona autiste ny fahatongavan’ny Dr Djea Saravane eto Madagasikara. Ao anatin’ny fandaharanasa Coreom iarahana amin’ny fikambanana Autisme Madagascar izy ity. Hizara traikefa sy hanome fiofanana ary hanao fizahana ho an’ireo olona autiste ity mpitsabo ity mandritra ny fivahinianany eto Madagasikara.
Podium lehibe no hotanterahina eny amin’ny kaominina Ivato, ny 19 sy 20 ary 21 jona izao, ho fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena. Karakarain’ny faritra Analamanga sy ny kaominina Ivato izany. Eny rahateo no hanaovana ny afomanga ny 25 jona.