“Iray volan’ny teny malagasy” : Nivoaka ny “Ndao hahitsy ny diso” sy ny “Alô hianatra fitenim-paritry”

Boky roa, hanampy ny fampiasana ny teny malagasy andavanandro. Ireo no tsangambaton’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny teny malagasy”, navoakan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera.

Mampiasa amin’ny tokony ho izy ny teny mala­gasy ve isika? Ny tsirairay no samy mamaly izany any an’eritreriny any… Fa ny azo antoka aloha dia tsy mi­hoatra ny 50 isan-jato no ha­maly hoe “eny”, tsy an-kisalasala. Antony iray namoahan’ ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera ny boky roa, “Ndao hahitsy ny diso” sy ny “Alô hianatra fitenim-paritry” io, mba fara faharatsiny ha­nampy amin’ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny andavanandro.

“Mitontongana ny fampiasana ny teny malagasy, ka izay no hitondran’ny minisitera vahaolana. Mamaha olana amin’ny fanoratana ny teny malagasy ny iray, ary manampy amin’ny fahaizana ny fitenim-paritra kosa ny faharoa”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy
ny kolontsaina, Rakotondra­soava Fetra, omaly, nandritra ny lahateniny. Lanonana izay nentina nanokafana ny fanamarihana ny “Iray volan’ny teny malagasy” io, ka ireto bokikely roa ireto no tsangambaton’ny fankalazana.
Nizarana ny boky ireo tranomboky sy sekoly, ary hotohizana manerana ny Nosy ny fanapariahana izany. Ho fa­nampin’ireo fandaharana efa mandeha amin’ny haino aman­jerim-panjakana sy ny amin’ny pejy facebook an’ny minisi­tera, ireto boky ireto.

“Tsy tokony hijanona ato anatin’ny iray volana, fa mandritra ny androm-piainana no hilofosana ho an’ny teny mala­gasy. Omeo sehatra ireo nianatra ny teny malagasy fa misy tena nandalina nandritra ny taona maro ao…” hoy ny solombavambahoaka mitarika ny vaomieran’ny Serasera sy ny kolontsaina eo anivon’ny Antenimierampirenena, Rako­ton­drasoa Fetra. Ho fanamafisana izay voalazany, ny fanoratra diso anatin’ny tatitry ny Filankevitry ny minisitra mihi­tsy no noraisin’ity solombavambahoaka ity ho ohatra.
“Lasa voninahitra ho an’ny ankizy ny miteny frantsay… Misy koa ireo tapi-pahaizana nefa mandiso ny teny malagasy ao anatin’io facebook io. Any indrindra anefa no tokony hifampitaizana. Ny fampiroboroboana ny teny malagasy dia fireharehana fa Malagasy. Inona no mahamenatra an­tsika miteny malagasy ?”, hoy kosa ny filohan’ny Antenime­randoholona, ny jeneraly Rava­lomanana Richard.

Zo ny Aina

Partager sur: