Mamirifiry, mampangirifiry

 

Tena efa latsaka anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka tanteraka ny eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tena efa mamotsifotsin’ny fanala ny bozaka aman’ahitra eny ankalamanjana rehetra eny. Sanatria, efa hivadika ho lagilasy mihitsy amin’ny faritra sasantsasany. Tena mamirifiry, mipaka amin’ny taolana, ara-bakiteny ny hatsiaka.
Mila mitandrina ny olona marefo sy izay taizan’aretina. Mila mitahy vatana ny manana olana amin’ny taovam-pisefoana. Mahazo vahana ny karazana aretina, mainka moa milaza ny manampahaizana fa misy karazana Covid mamely eto an-tanàna. Tsy misangy na mitsapatsapa ny aretina
amin’izao fotoana izao, fa izay tratra dia mandamaka tokoa.
Iaraha-mahalala ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano. Ny sakafo ho ampidirina am-bava aza mbola ifampitadia­vana ny ampitso izay natokona androany. Vitsy ny Malagasy tsy mitrosa na manan-trosa amin’izao fotoana izao. Na ireo heverina ho mpanefoefo aza mbola sahirana misedra ny karazana fanamby amin’ny andavanandro.
Raha ny resaka fahasalamana izany dia tena olana iarahan’ny sokajin’olona mizaka. Ireo vidim-panafody sy ny mifandraika aminy dia tena tsy an-jaza. Aza mba marary ihany! Fa manoatra lavitra amin’ny fisorohana ny vola lany amin’ny fitsaboana. Ny sery vitan’anamalaho, hoy ny Ntaolo, ve dia hamonoana vatotra akoho? Mifono fahendrena lalina izany.
Tsy voatery hiandry fitondram-panjakana ny vahaolana. Miainga amin’ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano izany. Ny fitandrovana ny fahadiovana, ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana na kely aza ny hoenti-manana dia efa zava-dehibe. Tsy voatery mizihi-kibon’ny havokisana vao miaina am-pahasambarana. Hafa ihany ny kelikely tsara­tsara!
Tsy vidian-dafo ny fahasalamana raha samy mitandrina sy manome lanja ny vatany ny tsirairay. Voankazo, rano fisotro madio, fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny fomba
fiaina dia ampy tsara. Sady manome hery fiarovana hiadiana amin’ny hirifiry entin’ny hatsiaka izany no mampihena ny fangirifiriana entin’ny aretina.

r.r

Partager sur: