Minisitry ny Raharaham-bahiny: “Mametraka fiaraha-miasa ny fifanarahana lasitra”

“Fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta no natao. Mba hahazoana mametraka fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fivoriana izany. Kara­zana fifanarahana lasitra ihany anefa”. Io ny fanazavan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­tafika, teny Iavoloha, omaly, ny amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Slovénie sy i Madagasikara ao anatin’ny
fitsidihana ara-panjakana ataon’ny filoha slovenianina, Sem Natasa Pirc Musar. Ao anatin’ny fivorian’ny roa tonta no faritana ireo laharam-pahamehana ao anatin’izay fiaraha-miasa izay. Fomba fampiasa amin’ny lafiny diplaomasia izany. Mba hahazoan’ny roa tonta manatrika ireo sehatra hiarahany miasa amin’ny taona ho avy.
Ny maha zava-dehibe ny fifanarahana lasitra: mametraka fomba sy fitaovana iray hahazoan’ny roa tonta mifanakalo hevitra. Eo koa ny fomba fijerin’ny firenena tsirairay manoloana ny ambana sy ny zava-misy maneran-tany. Hahazoana mifanohana, ohatra, izany. Raha misy laharam-pahamehana ho an’i Mada­gasikara, mahazo mangataka amin’i Slovénie amin’ny fanohanany. Toy izany koa i Slo­vénie mahazo mangataka fanohanana amin’i Mada­ga­sikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mpikambana maharitry ny Filankevi-pilaminana eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU) i Slovénie. Filoha lefitry ny fihaonamben’ ny ONU i Madagasikara. Ma­nana fijery itovizana amin’ireo firenena afrikanina hafa i Ma­dagasikara: fametrahana ny fiadiana hahazoana toerana roa maharitra eo anivon’ny filankevi-pilaminan’ny ONU.

R. Nd.

Partager sur: