« Roi du Ring » : Nanokafana ny taona ho an’Analamanga

Notontosaina tetsy amin’ny Kianja mitafon’i Mahamasina, ny alahady lasa teo, ilay katrokady « Roi du Ring », taranja Ady totohondry. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga ho fanokafana ny taom-pikatrohana 2025 izy ity. Nambaran’ny filohan’ny ligy, Ranaivo Herivonjy Thierry, fa tanjona ny hamerenana indray ny lazan’ny ady totohondry eto Analamanga. Izany indrindra no anton’izao hetsika izao. Fanombohana ihany ity fa amin’ny volana aogositra any, efa hikarakara ny andiany faharoa sahady izy ireo. Ny ady fihantsiana, nandraisan’ireo kalaza anjara, toa ny adin’i Sambatra sy i Odilon, ry Lahatra sy Tsiry ary i Sitraka sy i Mike Tyson no tena nanamarika ny lalao noton­tosaina. Teo ihany koa ny ady ho an’ny sokajy vehivavy, nifandonan’i Nandrianina sy i Clara. Nasaina manokana nanatrika ity hetsika ity ny filohan’ny federasionina, Rabarisoa Hery Mamy, sy ilay manam-pahaizana kameroney, Cyprien Tabo, izay
tena anisan’ny nampiakatra ny lentan’ny fifaninanana sy haavo teknika.

Mi.Raz

Partager sur: