Tournoi-FDS : Nomena fitaovana ny mpitandro filaminana

Ho mariky ny firaisankin’ny governemanta, nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena ho an’ny mpitandro filami­nana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Natao omaly, teny Ampahibe, izany.

Nanolotra fitaovana sy kojakoja ara-panatanjahantena ho an’ny minisiteran’ny Foloalindahy ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay tarihin’i Moutsa­pha Abdulah Marson, omaly. Natao ho mariky ny firaisan­kina eo anivon’ny go­ve­rne­manta sy ho fanamafisana ny fiaraha-mientana amin’ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena izany.

Ho fanamarihana izany, nisy ny lanonana tsotra izay natao teny Ampahibe. Tsia­hivina fa hisy ny fifaninanana ho an’ny mpitandro filaminana sy ny fiarovam-pirenena, na ny “Tournoi-Forces de défense
et de sécurité”. “Raisinay ho adidy sy andraikitra ny fiaraha-misalahy amin’ny fankalazana ny faha-65 taona nahazoana ny fahaleovantena izay sady fetin’ny Foloalin­dahy rahateo”, hoy ny minisitra MJS, Moustapha Abdulah Marson, omaly, nandritra ny fandraisam-pitenenany.
Naneho fisaorana sy fankasitrahana ny fifanohanana sy ny fiaraha-mientana tahaka izao moa ny minisitry ny Folo­alindahy, ny jeneraly Sahivelo Monja Lala Délphin. “Masa-bary maito kitoza ny fahatongavan’ny fanomezana ka raisina an-tanan-droa”, hoy ny jeneraly.

F.R

Partager sur: