Tsipy kanetibe : Fantatra ireo hiatrika ny “Masters 2025”

Navoakan’ny Fédération sport-boule malagasy (FSBM) tao amin’ny tambanjotran-tseraserany, omaly, ny anaran’ireo handrafitra n”y ekipam-pirenena hiatrika ireo fifaninanana iraisam-pirenena roa, ny “Masters” sy ny “Tournoi Es­tival”, hatao any France, ma­nomboka ny faran’ity volana ity. 10 mirahalahy izy ireo ka anisan’ireo tafaverina ao anaty ekipa indray i Tiana (Tonnerre). Ankoatra izay, tsy tazana intsony i Donald, tompondaka lefitra maneran-tany 2024. Efa nampoizina kosa ny mbola ahavoatazona an’i Zigle sy i Tiana kely ary i Sedrick.
Hiatrika ny “Masters” i Ba­lôty, i Sedrick miampy an’i Zigle sy i Tiana kely. Hisy ekipa roa amin’ny “Tournoi Estival” ka ankoatra azy efatra mirahalahy, hanatevina ny ekipa i Lova Satamandimby sy i Tiana (Tonnerre). Tsy mbola voafaritra aloha izay hiaraka mandritra izany fifaninanana izany fa any an-toerana no hahalalana azy.
Miditra amin’ny fampivondronana sy ny fanazarantena avy hatrany izy enina mirahalahy, nanomboka omaly talata, mandra-piainga. Tsy misy mpanazatra manaraka ny ekipa amin’ity. Tsiahivina fa hanomboka ny 26 jona ho avy izao ny “Masters”, hisy dingana 7, miampy ny famaranana lehibe. Hiaraka amin’izany koa ny “Tournoi Estival”. Ha­haritra efa-bolana eo izany ny dian’ny delegasionina mala­gasy any France.

Tompondaka

Partager sur: