Nitombo nandritra ny enina taona nisesy ny tsy fanjariana sy tsy fahampian’ny sakafo ho an’ny ankizy ka nahatonga olona an-tapitrisa ho tafiditra amin’ny faharefoana lalina, araka ny tatitra maneran-tany manoloana ny krizy ara-tsakafo (GRFC). Mampirongatra izany maneran-tany ny fifandonana, ny olana ara-toekarena, ny toetr’andro mahery vaika ka miteraka voka-dratsy ho an’ny faritra maro efa narefo. Maherin’ny 295 tapitrisa, any amin’ny firenena sy faritany 53, no miaina ny hamafin’ny hanoanana, ny taona 2024, nitombo13,7 tapitrisa izany raha oharina ny tamin’ny taona 2023. Nitombo ny hanoanana mafy noho ireo olona an-tapitrisa voatery nifindra monina. Anisan’ izany ireo nafindra toerana anatiny, ireo mpitady fialokalofana ivelan’ny fireneny, ireo mpitsoa-ponenana monina any amin’ny firenena misy krizy ara-tsakafo. Tafiditra anatin’izany ny Repoblika Demokratikan’i Congo, i Colombie, Soudan ary Syria. “Fanairana mafy iray hafa momba ny tontolo mampidi-doza tsy voafehy ity tatitra maneran-tany momba ny krizy ara-tsakafo ity”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Firenena mikambana, António Guterres.
Ninah (mpianatra asa)