Akamasoa- Père Pedro: Hisy horaisina mpiasam-panjakana

Nanamarika ny fitsidihana nataon’ny filoham-pirenena slovenianina teto Madagasi­kara ny fitsidihany ny toby Akamasoa an’ny Père Pedro, omaly. Nifanindran-dalana tamin’izay ny fitokanana se­koly teny Bemasoandro. No­hamafisin’ny filohan’ny Repo­blika malagasy, nandritra ireo, ny fankasitrahany ny ezaka ataon’ity pretra ity sy ny mpanabe ao aminy. Izay nolazainy fa tsy mikely soroka tokoa amin’ny fanabeazana ny zaza malagasy, ka mahatonga ny vokatra tsara hatrany isan-taona. Nasongadiny tamin’izany ny voka-panadinana CEPE izay mahatratra hatrany amin’ny 96 %, ny bakalorea izay mihoatra ny 97%.
Mba hahafahan’ny fanjakana mitondra ny anjara birikiny kosa amin’ny fanampiana ny Akamasoa dia hisy ny fandraisana ho mpiasam-panjakana isan-taona ny mpampianatra eny an-toerana. Tsiahi­vina fa olona efa maherin’ny 500 000 no nisitraka ny fa­nampian’ny Père Pedro, ha­tramin’ny taona 1970, nahatongavany teto Madagasikara.
Tsy mijanona hatreo ny ezaka ataony, fa efa misy ny oniversite natsangana eny an-toerana. Andalam-pamitana kosa ny ivontoerana fampiofanana arakasa. Tetikasa izay nisy fiatoanakely teo aloha fa hanampy ny famitana azy ny fitondram-panjakana, hoy ha­trany ny filoha Rajoelina Andry.

r.r

Partager sur: