Ankadindramamy : Taxi-be 147 sy taxi nifampitrongy

Potika tanteraka ny lohan’ny taxi iray nifandona tamin’ny taxi-be 147 tetsy Ankadindramamy akaikin’ny tobin-dasantsy, omaly maraina. Nikasa hidina avy any amin’ny lalana mizotra mankany Mahazo ilay fiara kely. Nivoaka avy amin’ny toerana misy ny tobin-tsolika ilay taxi-be, araka ny fitantaran’ny nanatri-maso. Tsy nifandefitra ny mpamily roa tonta. Nifandona avy hatrany teo amin’ny lohany ireo fiara roa . Potika sady niforitra ny ilany havanana tamin’ilay taxi. Tsy nahitana fahasimbana kosa ilay taxi-be. Niafara tamin’ny fifamalian’ny mpamily avy amin’ny andaniny sy ankilany izany. Manjaka tanteraka ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ireo mpampiasa fiara sasantsasany. Voakasika matetika ireo mpamily fiara mpitatitra olona miasa eto an-dRenivohitra. Na eo aza ireo manara-dalàna sy manaja ny asany, misy hatrany ireo mivaona. Mandray olona eny amin’ny toerana voarara hijanona sy anelanelan’ny fiantsonana. Etsy ankilany, matetika iharan-doza koa ireo mpitondra moto izay misongona amin’ny ankavanan-dalana sy mandeha eny amin’ny faritra natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra. Manentana hatrany ny mpampiasa lalana ny polisim-pirenena hanaja ny lalàn’ny fifamoivoizana hisian’ny filaminana sy hisorohana ny loza.

Tsiferana R.

Partager sur: