Depiote Rahantanirina Lalao: “Tsy izay miteny any amin’ny facebook no marina”

Manoloana ilay resaka fanangonan-tsonia nataon’ny olom-boafidy tao Mahajanga sy Betsibo­ka, hanesorana minisitra roa, namoaka ny heviny mahakasika izany ny depiote Irmar, avy any Mahajanga, Rahanta­nirina Lalao na depiote Nina, omaly, tetsy Mahamasina. “ Tsy resy akory ny olo-mangina, ary samy manana ny eritreriny avy. Tsy izay miteny any amin’ny facebook akory no marina”, hoy ity olom-boafidy tao Mahajanga I ity.
Nomarihin’ity solombavambahoaka ity fa tsy misy ny ady an-trano eo amin’ireo samy olom-boafidy any an-toerana fa ny hevitra no tsy mitovy. Notsindriny ihany fa tsy feon’olona roa no atao hoe feon’ny solombavambahoaka, fa maro ireo olom-boafidy any an-toerana. Araka ny fanadihadiana natao, depiote roa mahaleo tena, mikasa hanala ny minisitry ny Tanora sy ny Fana­tanjahantena (MJS), Mous­tapha Abdulah sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Pr Chaminah Loulla.
Etsy ankilany, nilaza ny minisitra Moustapha Abdulah Marson fa tsy ekeny velively ny fanaovana antsojay, fanararaotam-pahefana, fanaovana tsinontsinona ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry. “Manana ny lehibeko aho, ary izy no afaka miteny ahy raha tsy mety ny nataoko, fa tsy olona roa mitabataba any amin’ny facebook no hanakana ahy tsy hiasa ho an’ny firenena”, hoy izy.

F.R

Partager sur: