Dimbiheriniaina Pharlin : Mety hanohy ny asa ara-teknikan’ny FMTKD

Mbola tsy misy ny filazana ofisialy mahakasika ny birao mandrafitra ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD). Saingy araka ny fanadihadiana natao, efa nanendry olona ny lehiben’ity taranja ity, andrasana ny fanolorana azy ireo.

Araka ny siosion-dresaka mandeha, amin’izao fotoana izao, fantatra fa efa nanendry ireo mpiara-miasa aminy, ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny Taekwondo WT (FMTKD), Lamina Boto Tsara Dia. Anisan’ireo manohy ny asany maha tale teknika nasionaly (DTN) azy anivon’ity federasionina ity, i Dimbiheriniaina Pharlin, raha tsy misy ny fiovana farany. Tsara ny mampahatsiahy fa efa niandraikitra io toerana io ihany ny tenany, nandritra ny fitantanan-dRa­ko­­to­manana Franck Tiana, lehiben’ny FMTKD teo aloha, izay voatery natsahatra tamin’ny asany noho ny tsy fanomezan’ny Komity Olym­pika (Com) fankatoavana azy. Ankoatra izay, nilaza ny loharanom-baovao iray fa napetraka ho filoha lefitry ny FMTKD, ny mpitantana ny Taekwondo malagasy teo aloha, izay tsy mbola voafaritra mazava ny anarany. Tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy milaza ireo rehetra ireo. Tokony ho natolotra omaly ireo birao vaovao miasa eo anivon’ny federasiona ireo saingy noho ny tsy fahafahan’ny filoha Lamina Boto Tsara Dia, tampoka teo amin’ny ora farany, voatery nahemotra amin’ny andro manaraka izany.

Hanolotra mari-pahaizana

Hotontosaina ny 13 jona ho avy izao ny fanolorana mari-pahaizana na fampiakarana ambaratonga, anivon’ny FMTKD. Tsy mbola fantatra ny toerana, saingy io andro io no voatondro hanaovana ny lanonana, araka ny fampitam-baovao voaray tamin’ny loharanom-baovao iray anivon’ny federasionina. Marihina fa tanjon’ny rafitra federaly ny hampiakatra ny lentan’ny Ma­lagasy amin’ity taranja ity ary ny hamerina azy indray anivon’ny sehatra iraisam-pirenena.

F.R

Partager sur: