Ahmed Affandi Ramanantenasoa Cheriza. Abdoul Anlim Abdillah, Manjatomalala Ratafikaharijaona Livasoa ary Anssoufouddine Rabezafy Sarah. Ireo izy efatra mianadahy hiatrika ny dingana famaranana amin’ilay fifaninanana mandaha-teny amin’ny teny frantsay, «Eloquentia». Hotontosaina ny sabotsy 7 jona izao, etsy amin’ny Arena Viva Ivandry, manomboka amin’ny 9 ora maraina ny famaranana ity fifaninanana ity. Izay tafavoaka amin’izy efatra mianadahy ireto no hisolo tena an’i Madagasikara, amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena izay hotontosaina any Paris, ny volana aogositra ho avy izao.
Mila maharesy lahatra ireo mpitsara, araka izany, ireto tanora ireto. Amin’ity famaranana ity, hanana ny ambarany ihany koa ny mpanatrika. Tsaraina araka ny fahasahiany mandaha-teny, ny fifehezany ny lohahevitra, ny fahaizany maneho hevitra, ankoatra ny fihetsika ireo mpifaninana. Efa voafaritra mialoha, araka ny antsapaka natao ny lohahevira hitondran’izy ireo fanehoan-kevitra.
Marihina fa niisa 171 ireo tanora nandray anjara tany am-piandohana, ka izy efatra miandahy ireto no tafavoaka hiatrika ny famaranana. Fanindroany izao no hananan’i Madagasikara solontena amin’ny fifaninanana any Paris, satria efa nahazo ny laharana fahatelo maneran-tany i Rakitra Sedrantsoa, solontena malagasy tamin’ny taon-dasa.
Zo ny Aina