Fitoriana eny amin’ny “Cybercriminalité”: Mihenjan-droa ny tady eo amin’ny Ceni sy ny Sénat

Mihenjana ny tady eo amin’ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana sy ny Antenimierandoholona. Ny fitoriana ilay filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina eny amin’ny brigady misahana ny heloka ana habaka no fototr’izany.

Mafampana ny toe-draharaha! Nam­piaka-peo ny filohan’ny Ceni, An­drianarisedo Dama Arsène, notronin’
ireo mpikamban’ny Vaomieram-pifidianana, omaly, tetsy Alarobia. Melohin’izy ireo ny fanenjehana nataon’ny tomponandraikitra voalohany eo amin’ny Antenimierandoholona, teo anivon’ny «Cybercriminalité», ny filoha lefitra voalohany ao aminy. Ity farany izay nahazo fampiantsoana eny amin’ny Toby Ratsimandrava, hanaovana fanadihadiana. Ahiahina ho tompon’antoka tamin’ny famoahana tsy nahazoana alalana tamin’ny haino aman-jery, mahakasika ilay tolo-dalàna momba ny fifidianana nataon’ny filohan’ny Antenimierandoholona,
Nomarihin’ny fanambarana nataon’ny Ceni, fa tsy izy ireo no namoaka voalohany ny mahakasika ilay tolo-dalàna. Nanamarina sy nanao fikarohana fotsiny izy ireo. «Misy fitsipika sy lalàna mifehy ny fanenjehana ny mpikambana eo anivon’ny birao maharitra eo anivon’ny Ceni, raha toa ka misy fahadisoana goavana nataony. Izany dia voalazan’ny andininy faha-28, ny lalàna laharana faha-2015-020, tamin’ny 19 volana oktobra 2015, mahakasika ny Ceni», hoy Andrianarisedo Dama Arsène, filohan’ny Ceni.

Tsy nitory
Etsy ankilan’izay, nilaza ny eo anivon’ny kabinetran’ny filohan’ny Antenimierandoholona fa tsy nitory velively ilay olona voalaza ny filohany, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Fitoriana olon-tsy fantatra no nataon’ny fitaleavana miandraikitra ny lalàna sy ny raharaham-pitsarana eo anivon’ity andrimpanjakana ity. “Tao amin’io sampandraharaha io no nisy namoaka ilay tahirin-kevitra ka nahatonga ny tomponandraikitra nitory, mba hahafahana mahita izay nanaparitaka ilay tahirin-kevitra”, hoy ny tomponadraikitra azo an-telefaonina halina.

Fitia Randria

Partager sur: