Natomboka tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny Ivontoerana misahana ny fampianarana ampitain-davitra (CNtemad), Ankadifotsy, ny famadihana azy ho lasa oniversite niomerika.
Efa ny taona 2014 no napetraka ny vina sy ny paikady hahatongavana amin’izany ary natao sonia tany Paris, tamin’ity herinandro ity, ny fanomezana sorabola 3 tapitrisa euros hisantarana ny asa rehetra. “Ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola, amin’ny alalan’ ny fonds Decim. Manomboka eto, ho hita soritra ny fiovana manomboka amin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa foibe sy ny fametrahana ny Plateforme numerique miaraka amin’ny orinasa malagasy Sayna”, hoy ny tale nasionalin’ny CNtemad, dokotera Andriamirado Christian, omaly.
Tsapa fa tsy mitovy ny kalitaom-pampianarana azon’ny mpianatra manaraka fiofanana amin’ny CNtemad teo aloha satria mivangongo amin’ny renivohi-paritany ny mpampianatra mpikaroka ka sahirana ireo mpianatra mipetraka amin’ny distrika lavitra. “Manana ivontoeram-panofanana 52 ny CNtemad manerana ny Nosy ka ny 17 amin’izany no hisantarana ny firosoana amin’ny fampianarana niomerika. Haharitra efatra taona ny fametrahana tanteraka ny fanavaozana rehetra ka tombanana hitombo ho 50 000 ny isan’ireo olona hisitraka fampianarana ampitain-davitra hatramin’ny taona 2029”, hoy ny tale jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Isan-taona, 16 000 ny olona manaraka fiofanana manerana ny Nosy, amin’ny lalam-Piofanana Lalàna, Fitantanana, Varotra, Toekarena, Fampahalalam-baovao sy serasera, Génie Industriel, Iformatique, Télécommunication. Manome ny diplaoma Licence sy Master ny CNtemad. Tsy hiova ny fomba fampianarana fa hisy ny fampivondronana toy ny mahazatra arahina an-tambajotra, sy vidéo samihafa ho an’ny lesona sy ny fampiharana.
Vonjy