Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy atsimo andrefan’ny Nosy, noho ny tanjaky ny varatraza. Hahazo vahana ihany koa ny alondrano avy atsimo na atsimo andrefana any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo sy atsimo atsinanana. Anio alina manomboka ao Morombe hatrany Taolagnaro, hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka atsimo atsinanana izany manomboka rahampitso maraina.
Tontosa ny fanofanana momba ny Mécanique moto sy ny Patisserie ao amin’ny faritra Androy, anatin’ny tetikasa Fijery hafa miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nahatratra 600 ireo mpiofana nandray anjara tamin’ny taranja Mécanique moto ary 650 kosa tamin’ny taranja patisserie. Efa nahatratra 1 250 ireo olona nahazo fiofanana, mbola misy olona manodidina ny 3 500 eo ho eo no miandry sy maniry hiroso amin’ny fiofanana amin’ny sehatra samihafa.
Lavalava ny faran’ny herinandro satria andro tsy hiasana ny zoma sy ny alatsinainy. Maro ireo ankohonana mandeha mivoaka miala kely ny Renivohitra. Mila mitandrina hatrany eny an-dalana ary manaja ny lalàn’ny fifamoivoizana. Hamarinina koa ny momba ny fiara mialoha ny handehanana, ny taratasin’ny fiara….
Miara-miasa ny mpamonjy voina eto Antananarivo sy any Canada. Mifampizara traikefa izy ireo ankehitriny. Mampiofana ara-teknika izay azo ampiharina eto amintsika ihany koa. Mizara ny fomba fanao mahomby amin’ny fiatrehana vonjy taitra.