Miadana Fabien Privat : “Mila hatsaraina hiantohana ny tsy fitongilanana ny lalàm-pifidianana”

Hanao tombana ny fifidianana ny Ceni, ary hampiantso ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho amin’ny fanatsarana ny lalàna. Efa misy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Anteni­mierandoholona. Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolo­tsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika…

Gazety Taratra (*) : Ni­laza hanao tombana ny fifidianana ny Ceni, ary hampiantso ireo mpisehatra amin’ny fifidianana ho amin’ny fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Efa misy tolo-dalàna ny amin’izany eny amin’ny Antenimie­randoholona. Ny fahitanao an’izay?
Miadana Fabien Privat (-) : Nanomboka tamin’ny fifidianana nivoahana tamin’ny krizy 2013, efa nisy torohevitry ny fiarahamonina sivily manara-maso fifidianana. Vita ny 2013, nanao fakan-kevitra maromaro ny Ceni-T. Isaky ny vita fifidianana, teren’ny lalàna ny mpanara-maso fifidianana hanao tatitra. Ao ana­tin’ireny, misy torohevitra momba ny lalàna sy ny fanatanterahana lalàna. Azo atao tsara ny fanitsiana lalàm-pifidianana. Mifanandrify amin’
izay andrasan’ny fiarahamonina sivily ve? Tsy ny mpanara-maso nasionaly ihany no nanao torohevitra, fa ny mpanara-maso iraisam-pirenena koa. Tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika farany teo, tsy nahatonga mpanara-maso ny Vondrona eoropeanina. Anisan’ny antony ny hoe ny torohevitra efa tamin’ny 2013 niverimberina ary tsy nisy tanteraka.

* Ny fahitanao izay mety ho tolo-dalàna eo?
– Raha ny an’ny Anteni­mierandoholona, mankany amin’ny hoe miralenta eo
amin’ny lafiny fifidianana kokoa ny fanitsiana entin-dry zareo. Ny Ceni vao hanao tombana anatiny; avy eo, hiantso ny mpisehatra amin’ny fifidianana sy hanao fakan-kevitra. Tsy mbola fantatra izay ho vokany amin’izay mialoha ny tolo-dalàna any amin’ny parlemanta na volavolan-dalàna any amin’ny governemanta. Inona ny fanovana hoentina? Misy ny fiarahamonina sivily miteny hoe ilaina ny fifandanjana eo amin’ny maha lahy sy ny maha vavy amin’ny fifidianana. Tsy tokony hohadinoina koa ny tanora.
Misy fandrarana izay tsy azo atao ny lalàna, nefa tsy misy sazy mifanaraka amin’
izay mandika izany. Tsy fantatra koa ny rafitra manasazy, ka lasa misy fifanilihana. Misy kandidà mandika lalàna: ino­na ny sazy ary iza no manasazy? Ho tonga amin’izany ve ny hataon’ny Antenimieran­doholona sy ny Ceni? Misy koa ny kandidà tsy manao tatitra ny fitantanam-bola nandritra ny fampielezan-kevitra, nefa tsy misy sazy. Mila ha­tsaraina ny amin’izany hian­tohana ny tsy fitongilanana amin’ny fampiharan-dalàna. Rehefa mazava izay, tsy misy ny fifanilihana.

* Ahoana ny hamarin-toerana ny lalàm-pifidianana?
– Nisy adihevitra be io lalàm-pifidianana io tamin’ny Ceni teo aloha. Nanao atrikasa maro sy soso-kevitra be dia be ry zareo. Nambara teny Anosy ny vokatra manerana ny Faritany, nefa nisy nesorina rehefa nandalo teny amin’ny governemanta. Toy izany koa teny amin’ny parlemanta. Ny niafarany, io tsy mazava io. Lasa manao torohevitra hatrany… Ny antony mampitovy ny torohevitra nanomboka 2013 no ho mankaty, misy zavatra tsy miova ao.
Tokony hanana fehezan-dalàna momba ny fifidianana mazava isika. Ho hita amin’izany, ohatra, ny hoe: isaky ny inona ny hanaovana fifidianana? Voafaritra mialoha izay, fa tsy iandrasana ny Ceni hanolo-kevitra dia ny governemanta no manapaka. Amin’ izay, tokony hifanaraka amin’ny kalitaon’ny fifidianana ilaina ny enti-manana.

* Inona ny tena mila hahitsy amin’ny lalàm-pifidianana?
– Anisan’ny ady ataon’ny olon-drehetra ny zo hirotsa-kofidina sy hifidy. Nefa voasakan’ny rotsa-bola fahazoana mirotsa-kofidina, ohatra. Ra­ha tiana ny fahazoan’ny rehetra mirotsa-kofidina, tsara mifanaraka amin’ny harin-karena faoben’ny firenena izay rotsa-bola izay. Eo koa ny zo amin’ny fanaraha-maso fifidianana samihafa, matetika misy fahasahiranana hatrany amin’ny fampiharan-dalàna. Mila hamafisina ny fanomanana ny olona hiasa amin’ny biraom-pifidianana sy ny SRMV. Mba ho fanta-dry za­reo ny zon’ny mpanara-maso, ny zon’ny olom-pirenena, ary ny zon’ny solontenan’ny kandidà. Mba tsy hisy fitongilanana na fanilikilihana… Eo koa ny fanaraha-maso ny vola ampiasain’ny kandidà, ny fo­toana ahazoana miteny amin’ny haino aman-jerim-panjakana… Tsara raha ferana ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana ary atao mitovy ny kandidà rehetra. Tokony ha­na­na fandaharanasa izy ireo ary izay no asongadina mandritra ny fampielezan-kevitra.

*Ahoana ny amin’ny fizarana zavatra isaky ny fifidianana?
– Misy milaza hoe kolikolim-pifidianana ny fizarana zavatra takalon’ny latsa-bato amin’ny fampielezan-kevitra. Hatramin’izao, tsy misy lalàna mandrara an’izay. Tsara misy hatrany endrika sy sary famantarana: tee shrit, kasikety… Fa tsy tokony ho zavatra takalon’ny safidy no hozaraina: vary, menaka, koveta… Ny fandaharanasa mitondra ny olona hahavidy an’ireny no tokony hozaraina. Misy olom-pirenena tsy mifidy raha tsy izaran-javatra: mila tezaina… Hahazoan-dry zareo mpizara zavatra tombony ny fizarana dia ataony. Efa hita fa tsy voafidy izay tsy mizara. Entanina ny mpanao politika mba tsy hizara zavatra, ary hamaritra lalàna mametra an’izay. Te­zaina koa ny olom-pirenena fa ny fandaharanasa no hampiakarana ny harinkarena ka hahazoany mahaleo tena amin’ny fivelomana mahavidy zavatra, fa tsy mila izarana no zava-dehibe.

* Fifidianana toy inona no kendrena amin’ny fana­tsarana ny lalàm-pifidianana?
– Mitovy hatrany ny tanjona amin’ny fifidianana hoe andraisan’ny rehetra anjara, eken’ny rehetra ny vokatra mitondra any amin’ny fitoniana… Izay no mitarika ny fahatsaran’ny kalitaon’ny lalàna. Eo koa ny fampiharana an’
izay: tena voasazy, ohatra, izay mandika lalàna. Tsy voatery avy amin’ny mpikarakara fifidianana sy ny mpirotsa-kofidina ihany no iavian’ny fikorontanana fa olom-pirenena: tsy miandrandra hozaraina zavatra.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: