J-3 amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby (Can) sokajy vehivavy, anio. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny sabotsy 7 ka hatramin’ny alahady 15 jona ho avy izao. Ny Springboks Afrika Atsimo no firenena voalohany tonga eto Madagasikara, anisan’ireo hiatrika izany. Amin’ity alakamisy ity kosa vao hiaraka ho avy ny Liona avy atsy Kenya sy ny The Cranes Ouganda.
Araka ny lalàna mifehy ny fifaninanana toy izao, rahampitso vao afaka mitsapa ny Kianja Makis ireo vahiny delegasionina. Tsiahivina fa ekipa efa diso mifankalala tsara i Afrika Atsimo sy i Kenya ary ny Makis Ladies. Vaovao vao niakatra kosa ry zareo Ogandezy, izay nisolo toerana an’i Cameroun, nivarina any amin’ny vondrona D. Hangotraka, araka izany, ny fihaonana amin’ity indray mitoraka ity.
Raha ny fandaharam-potoana, hifandona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya. Hanala vela ry zareo kenyanina amin’ity satria efa resin’ny Malagasy, tamin’ny taon-dasa. Heverina fa ho toy ny lalao famaranana kely, araka izany, ny fihaonan’ny roa tonta. Hanokatra ity andro voalohany ity kosa i Afrika Atsimo, tompondaka tamin’ny taon-dasa, sy i Ouganda. Ankoatra izay, nanao fitsirihana ny Kianja Makis, ny solontenan’ny Rugby Afrique, omaly, hahazoana ny fankatoavana.
Tompondaka