Tsy hita izay holazaina manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena. Ohatra ny misy kajikajy politika tsy mandeha amin’ny laoniny izany eto an-tanàna. Tsy hay hoe iza no manao inona, iza no miketrika inona. Misy tranga foronina sy hambolena resabe foana isan’andro izao. Toa kisarisarim-piarahamonina milamina, fa miloloha vainafo no misy ankehitriny.
Ohatra ny hoe sodokan’ny fanomanana fety izany ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny. Tsy izay anefa no zava-misy fa ampilomanosan’ny “deba” anaty fahantrana lalina sy fahaverezana faobe. Jambena amin’ny andavanandrom-piainana ny madinika. Manararaotra toa banga mihomehy alina ny te handrombaka fahefana tsy lera. Manginy fotsiny ny an’ny efa nahazo te hifikitra misimisy kokoa.
Mivadika mihitsy ilay Malagasy sy ny soatoaviny, aiza ve ka mahasahy mifamono an-toerana. Efa manomboka mitsapatsapa ny fandatsahan’aina ankolaka sy mivantana ny mpanao politika. Ny fifamotehana noho ny fialonana moa tsy lazaina intsony. Ny fitiavam-bola sy ny fitiavan-tena tsy hanaovana resabe.
Ny mampalahelo ao anatin’ilay zava-misy ankehitriny dia ny samy Malagasy ray sy reny, ny zanatany tena tompon-tanàna no mifamingana sy mifamono. Tsy mba saro-piaro sy mifanohana amin’ny maha zanak’i Gasikara tsy misy fangarony. Mamohehatra ilay toe-tsaina mifampisintona midina fa tsy mba mifanosika hiakatra. Izany anefa no fahavalom-pirenena voalohany, fositra tsy hisian’ny fampandrosoana.
Sintonina ihany ny lakolosy amin’izao ankatoky ny fetin’ny fahaleovantena izao. Fotoan’ny firaisan-tsaina sy firaisam-po tena izy izao. Mitaky izay fomba fiaina miabo izay ny firenena mba ho tany sambatra tokoa ilay Madagasikarantsika. Mba hiadana sy ho finaritra araka ny nofinofy fony nisitraka ny fahaleovantena ilay Malagasy efa zatra “dona” sy “fahoriana lalina”.
r.r