Nivoaka tamin’ny fakan-kevitra ho an’ny mpankafy ny anaran’i Shenseea, handray anjara amin’ny « Festival Sômaroho ! » any Nosy Be. Tsy mbola tena raikitra anefa ny hahatongavany, raha ny fanazavana nomen’i Wawa, omaly, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny foiben’ny Yas Andraharo. « Tsy maintsy misy vahiny mpanakanto sady malaza ho avy any. Efa maro no teto fa mbola maro koa ireo ho avy. Nisy ny fakan-kevitra nataonay mpikarakara, tao amin’ ny Facebook. Efa mpanatanteraka miaraka amin’ny ekipa aho mantsy fa ny vahoaka no tompony amin’izao. Nisy ny fisafidianana nalefa, ka nivoaka ny anarana be mpankafy. Mbola ao anatin’ny fifampiresahana tanteraka izahay, satria tena tsy mora ny mahazo an’ireo mpanakanto malaza ireo. Hampahafantarinay tsy ho ela izany », hoy ny fampanantenana nataon’i Wawa, omaly.
Ny efa azo antoka aloha dia ny 6 hatramin’ny 10 aogositra izao no hotontosaina ny andiany faha-12 amin’ny « Festival Sômaroho! ». Misy ireo vahiny andrasana, fa misy koa ireo mpanakanto malaza eto an-toerana. Sehatra ho an’ireo mpanakanto vao misondrotra koa anefa ity hetsika ao amin’ny Kianjan’ Ambodivoanio, Nosy Be ity. Nisy ihany ny anarana efa natsipitsipin’i Wawa fa handray anjara, toa an’i Baco Ali avy atsy Mayotte, Basta Lion, Dj Zayon, sns.
« Maro ny traikefa efa hitako. Taona hametrahako zavatra tsara ho an’ny mpankafy ny Sômaroho ! ity 2025 ity. Mbola hiavaka noho ny andiany teo aloha ny lafiny teknika amin’ity, satria te hampiakatra avo kokoa hatrany izahay. Tsy maintsy jerena tsara ny lafiny fikarakarana satria efa tsy antonona ny mpijery ny kianja tamin’ny taon-dasa. Manantena mpijery any amin’ny 100 000 isa any izahay mandritra ny hetsika », hoy hatrany i Wawa.
Zo ny Aina