Hatao ny 7 hatramin’ny 9 jona izao ny “Judo camp DMJ3” karakarain’ny Diaspora malagasy eo amin’ny taranja judo. Any Luisant, Chartres no hanatanterahana izany ka ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra io 3 andro io.
Tontosa tany Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja beach volley. Voahosotra ho tompon’amboara i Julienne sy Marinà, teo amin’ny vehivavy. Raha toa ka i Hasina sy i Antonio no mpandresy teo amin’ny sokajy lehilahy.
Mbola misongadina hatrany, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra aty amin’ny faritra Atsinanan’i Afrika, Rakotoarimanana Fabio, Malagasy mpilalao. Tsy niala teo an-tanany hatrany ny medaly volamena tamin’ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa efa nandrombaka izany izy tamin’ny taona lasa.
Hotontosaina anio, any Allemagne, ny lalao manasa-dalan’ny “ Uefa Ligue des Nations 2025”, taranja baolina kitra. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro amin’izany ny fihaonana eo amin’i France sy i Espagne. Tsiahivina fa hanan-danja tanteraka io lalao, ary mbola manala vela ny frantsay.