Tao anatin’ny 5 volana: Olona varira 7 lasibatra

Tranga fahafito tamin’ity taona ity, nisiana fakana an-keriny olona manana toetena variva, no niseho tany amin’ny distrikan’Antsirabe II, farany teo, raha ny tatitry ny fikambanana. Zokiolona 70 taona no notafihan’ny dahalo 15 mirongo fitaovam-piadiana. Notapahina mihitsy ny lohany.
Miaina anaty horohoro ny olona manana toetena varira ary mahatsiaro tena ho ankilabao.
Manaitra ny fitondram-panjakana amin’ny fiarovana ny ainy izy ireo. Satria, mihatra aman’aina ny tsy fandriampahalemana. Tsy manana itarainana intsony.
Hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho fanentanana momba ny varira izy ireo ny zoma 13 jona izao, etsy amin’ny Ivokolo Analakely. “Ndao hitaky ny zontsika: Arovy ny hoditray, arovy ny ainay”. Izany no lohahevitra voizina mandritra ny fanamarihana. Marefo ny hoditry ny olona manana toetena varira ary mila fikarakarana manokana. Manoloana ny fakana an-keriny sy ny famonoana miseholany ihany koa dia mitaky ny fiarovana ny ainy izy ireo, mitaky ny tsy hisian’ny fanilikilihana eny amin’ny fiarahamonina ary ny zo fototra maha olona.

Tatiana A

Partager sur: