Jaojoby sy Lion Hill, etsy amin’ny Esplanade, Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Hafakely indray ity fiarahana rahampitso 6 jona ity. Haka endrika “cabaret”, saingy ankalamanjana ary hanomboka amin’ ny 8 ora alina izany. Mbola tsy fahita ihany koa ilay fampiarahana ny efa zokiny eo amin’ny mozika sy ny mpanakanto tanora, izay efa samy manana ny lazany.
Potehin’ny “PDF” ny boky sy ny mpanoratra. Fantatra, omaly, nandritra ny fanokafana ny hetsika “Tsenaben’ny boky” io. Vokatry ny fanaovan’ny olona sasany boky “PDF” any anaty tambajotran-tserasera isan-karazany. Boky 15 ka hatramin’ny 20 isa, vidiana amin’ny sarany 10 000 Ar. Boky iray amin’ireny, anefa, tokony ho 30 500 Ar. Asa fisolokiana, saingy, tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao.
Misaona ny zavakanto sy ny tantara filalao amin’ny Radio. Nodimandry teo amin’ny faha-87 taonany Ravelonoro Lala Manitra na i Noro. Anisan’ireo andrarezin’ny filalaovana tantara amin’ny Radio. Tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy no tena nahenoina ny feony. Tao anatin’ny tantara “Bako mpitsongo dia” kosa no tena nahafantaran’ny maro azy.