TSELATRA

Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 51 saron’ny polisim-pirenena tany Hajangona, kaominin’i Dembéni, Mayotte, ny alatsinainy 2 mey teo. Malagasy ny 50 tamin’ireo tratra raha toa ka Kongolais ny iray. Hampodiana eto an-tanindrazana avokoa ireo Malagasy nitsoa-ponenana ireo.
Olona 11 voasambotry ny polisy avy amin’ny CSP5 Mahamasina ny 2 jiona lasa teo tamin’ny 7 ora sy sasany. Tratra nangarom-paosy sy nanao sinto-mahery teny Anosibe sy ny manodidina, sy teny amin’ny Gare routière Fasankarana izy ireo. Nentina nohadihadiana eny anivon’ny kaomisaria ireo voasambotra.
Lavon’ny zandary ny jiolahy raindahiny tao amin’ny kaominina Anjiamangirana, ny 2 mey lasa teo. Mpanao asa ratsy ao an-toerana ary efa nampitondra faisana ny mponina tao an-toerana, io olon-dratsy lavo io.
Mikatona ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy, Manomboka ny zoma 6 jona izao. Tsy misy ny fiandrasan-draharaha amin’io fotoana io. Miverina amin’ny laonina ny asa rehetra ho an’ny talata 10 jona izao.

Partager sur: