Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Iray volan’ny teny malagasy ». Nosokafana, omaly, ny « Tsenaben’ ny boky ». Naneho ny heviny momba ny hoavin’ity loharano tsy ritra ity i Arikaomsa Randria.
Notanterahina omaly, teo anoloan’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny fanokafana ilay hetsika «Tsenaben’ny boky». Fotoana nihaonan’ny mpamaky boky tamin’ireo mpikirakira ny tontolon’ny boky. Samy naneho ny heviny izy ireo. « Mandia fotoan-tsarotra ny tontolon’ny boky… Mampanahy ny hoaviny… », hoy i Arikaomsa Randria, mpanoratra, mpanentana, mpilalao sarimihetsika sy tantara an-tsehatra, mpitantara angano…
Nohamafisiny fa na manana lanja bebe kokoa noho ny internet aza ny voarakitra ao anaty boky sy ny fampiasana azy ireny, manomboka maty tsikelikely izany.
Tao anatin’ny tohan-kevitra nataony no nanazavany fa: « manjary tsy manam-paharetana ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora ankehitriny, satria, manindry bokotra iray na roa dia mivoaka ny zava-tadiaviny ». Raha sanatria ka raiki-tampisaka amin’ny Malagasy io toetra io atsy aoriana, mbola hisy hanjifa ve ny boky? Mampanahy ny hoavin’ny boky. « Tsy azo sakanana ny fandrosoana, saingy, mety mitarika any amin’ny hakamoana », hoy ity mpanoratra ity. Inona no azo antenaina amin’ny saina tsy mazoto hiasa na hikaroka?
Na izany aza, « misy ny vahaolana afaka tanterahina tsara », hoy izy. Zarina hijery sy hamaky boky ny zaza sy ny ankizy. Any anivon’ny tokantrano no hanatanterahina izany. Tohizana hatrany ny hetsika fanapariahana ny boky mitety vohitra sy sekoly, sns. Hampahafantarina ny olon-drehetra ireo tombontsoa azo avy amin’ny boky. Hamoraina ny saran’ny famoahana boky. Tsy mahazo kivy ny mpanoratra.
Mila fanentanana goavana ihany koa ny Malagasy. «Hazavaina tsara aminy fa tsy lafo ny vidim-boky raha oharina amin’ny saran’ny fijerena seho an-tsehatra, ohatra. Ny boky, anefa, hipetraka mandrakizay. Azo vakiana amin’ny fotoana ilana izany, sns », hoy izy.
HaRy Razafindrakoto