Nitarika olana ara-tsakafo ho an’ny faritra Atsimo ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro tany an-toerana, simba ny voly ny taona 2024. Vokatry ny fanohanan’ny fanjakana sinoa, tamin’ny fanomezana vary milanja 1 600 t, afaka nizara vary milanja 90 kg ho an’ny olona marefo 55 000 ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo sy ny BNGRC. “Nanomboka ny volana desambra 2024 hatramin’ny volana marsa lasa teo no nitondrana ny tohana ara-tsakafo teny anivon’ny kaominina Morombe, Ambahikily ary Ankatsakantsa ho an’ny tokantrano 10 800”, hoy ny solontenan’ny Pam eto amintsika, Tania Goossens.
Mitetina 2 tapitrisa dolara ny sorabola natokana hanampiana an’i Madagasikara tamin’ny fanomezana vary ho an’ny fianakaviana marefo. “Mbola hitohy ny fanohanana amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Malagasy tantsaha hamokatra vary safiotra. Hampiakatra ny lanjan’ny vokatra”, hoy ny masoivohon’i Chine eto amintsika, Ji Ping, omaly, teny Alarobia.
“Dibo-drano ny voly rehetra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza tany Atsimo Andrefana, ka ny vary avy amin’ny fanjakana sinoa no natao sakafo mandra-panarina ny tanimbary”, hoy ny renim-pianakaviana iray tao Ambahikily. “Sokajiana ho faritra marefo manoloana ny fandalovan’ny rivodoza ny any Atsimo Andrefana ka hisy ny fiomanana sy fanentanana ny mponina mialoha ny fotoam-pahavaratra”, hoy ny tomponandraikitry ny BNGRC, ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel.
Vonjy