Aïd al-Adha : Nankalaza ny fetin’ny sorona ny Silamo

Nankalaza ny Aïd al-Adha, fetin’ny sorona, ny mpino silamo rehetra omaly. Nomarihina tamin’ny fiaraha-mivavaka izany ny tapany maraina. Nisy ny nanatanteraka izany teny anivon’ny moske 67Ha, nisy kosa ny teny amin’ny tany malalaka Andohatapenaka, akaiky ny Kianja Makis. Taorian’izay, notohizana tamin’ny fanaovana sorona ho an’ireo mpino afaka nanao izany ny sehatra. Zava-dehibe io fety io satria ahatsiarovana ny nanaovan’i Abrahama sorona ny zanany lahy tokana, Ismaely. “Rehefa tsapan’ny Tompo ny fahavononan’io mpaminany lehibe io hanao sorona ny zanany dia nosoloin’Andriamanitra ondry izany”, hoy ny Mpanolotsaina nasionaly eo anivon’ny Fikambanan’ny silamo malagasy, Ahmad Najo. “Manaraka ny finoana napetrak’i Abrahama ny mpino silamo satria midika fa mahafoy zavatra tsara ho an’
ilay nahary ny anton’ny fanaovana sorona”, hoy ihany izy. Vonoana ilay biby ary zaraina ho an’ny mpiara-monina, mpiray vodirindrina ary azo atao ny mizara izany ho an’ny mahantra, raha ny fanazavany hatrany. Tokony hitovy avokoa ny olona ary tokony hifety sy hifaly avokoa ny mpino rehetra. Ankoatra izay, tsy nanadino ny fitondrana am-bavaka ny firenena malagasy ihany koa izy ireo nandritra ny fankalazana.
Tsiahivina fa nofaranana afakomaly, tany La Mecque, ny fivahinianana nataon’ireo mpino silamo rehetra maneran-tany, manampy ny maha zava-dehibe ny Aïd al-Adha. Tanjona ny hangatahana famelan-keloka sy fibebahana eo anatrehan’ilay Nahary.

Mino

Partager sur: