« Sahirana ny fianakaviana malagasy manana zanaka autiste satria tsy misy ivontoerana manao fitsirihana manokana izany toetena izany eto Madagasikara, tsy voaofana koa ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpanabe. Manampy trotraka ny faharefoana ara-bola satria marolafy ny fandraisana an-tanana tsy maintsy arahana”, hoy ny manampahaizana manokana momba ny fahasembanana sy ny autisme, Dr Djéa Saravane, omaly, teny Antaninarenina. Tonga eto Madagasikara izy miaraka amin’ny filohan’ny fikambanana Autisme ao La Réunion, Nathalie Faucher, sy mpiasan’ny fahasalamana iray miasa amin’ny toeram-pandraisana ny autisme any an-toerana, Flora Homespun. Nitafa tamin’ny ray aman-dreny sy ny mpiasan’ny fahasalamana ary ny mpanabe amin’ny sekoly mampiaty izy ireo nandritra ny fitsidihany miaraka amin’ny fikambanana Autisme Madagascar. Nisongadina fa ilaina sy laharam-pahamehana ny fametrahana ivontoerana iray hitsirika ny autisme miaraka amin’ny mpitsabo malagasy voaofana. Hoavy eto Madagasikara ny manampahaizana avy any La Réunion hanofana ny mpitsabo sy ireo mpisehatra malagasy ahazoana manokatra ny toeram-pitsirihana. Efa mpikambana feno ao amin’ny Pôle autisme de l’océan Indien ny autisme Madagascar ka hitohy hatrany ny fiaraha-miasa sy ny tohana. Ny fond européen no hamatsy vola ny tetikasa. Hiverina eto Madagasikara izy ireo ny volana novambra ho avy izao hanatanteraka ny asa. Nihaona tamin’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fahasalamana ihany koa.
Vonjy