Anisan’ny fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina notontosaina teto amintsika ny Afafi -Nord AF nampiharina tany amin’ny distrikan’Ambilobe nandritra ny enin-taona. Maro ny vondron’olona ifotony nisitraka tombontsoa mivantana
Ny Afafi Nord, amin’ny ankapobeny, dia fandaharanasan’ny Vondrona eoropeanina vatsina amin’ ny alalan’ny 11ème Fed. Ny GIZ no nanatanteraka ny tetikasa, teo anivon’ny Page 2. Fampivoarana ny rojom-pihariana misehatra amin’ny fambolena sy ny ala no novolavolaina ary natao tao amin’ny distrikan’Ambilobe. Nanao tantsoroka ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy ary namatsy vola izany ny Vondrona eoropeanina sy ny BMZ nanomboka ny taona 2018 ary nifarana ny 2024 noho ny fanitarana.
Nojerena ny fomba hanatsarana ny famokaran’ny mponina eny ifotony ireo rojom-pihariana samihafa ahafahany manatsara ny fari-piainany sady miaro ny tontolo iainana ary koa tsy manimba ny loharanon-karena voajanahary. Ny rojom-pihariana fambolena Baie rose, fiompiana tantely, famokarana mahabibo sy ananambo no niompanan’ny tohana, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fandaharanasa Paddi/GIZ, Gilberte Ravakiniaina Sonia Annie.
Maro ny asa vita sy nakana lesona nandritra ny enin-taona, nisy fampiofanan’olona 2 500 amin’ny fahafahana mitantana ny vokatra azony amin’ny alalan’ny “Farmers Business School”, toy ny fitantanana orinasa kely mba ho afaka mizaka tena. Ho fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fiovan’ny toetr’andro, namokatra fantana mitsisy 18 000, efa lafo daholo ireo amin’ izao fotoana izao.
Ho an’ny fambolen-kazo, namerina amin’ny tokony ho izy ny faritra avo ny fandaharanasa Afafi Nord AF. Matetika kaohin’ny riaka ny nofon-tany ka mitondra antsanga manototra tanimbary. Nisy fambolen-kazo natokana hiadiana amin’izany notontosaina amin’ny toerana misy ala honko hanatsarana ny fivoaran’ny fiainan’ny Vondron’olona ifotony monina manodidina ny toerana misy ala honko. Tsara ny vokatra satria niverina ny drakaka sy ny makamba fiveloman’ny olona. Mahatratra 70 000 ha ny velarana voavoly nanatsarana ny toerana simba sy nanatevenana ny faritra ahina ho ringana ny ala ao aminy. Asa iray koa ny fanampiana ny mpiompy tantely miisa 215 izay mivondrona amin’ny fikambanana Ankarabe miompy tantely (Fama) any Ambilobe.
.