FANTINA sy FINTINA

Maromaro ireo sefo distrika nesorina amin’ny toerana, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, natao ny alarobia teo. Anisan’izany ny any amin’ny distrikan’i Mandoto, Mahabo, Amparafaravola, Antani­fotsy ary koa ny any amin’ny distrikan’Antambao Manampotsy. Nosoloina koa ny Prefet any Manakara.

Hatao eto Antananarivo ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa sy ny fitsinjaram-pahefana. Hotanterahina ny 18 sy 19 septambra izao izany ary iarahana amin’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana frantsay. Anisan’ny lohahevitra ny fitantanana ifotony ka tafiditra ao anatin’izany ny rano, ny toekarena, ny tanora, ny sakafo ary ny fanadiovana sy ny fidiovana.

Nambaran’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, fa tsy iadian-kevitra ny maha antsika ny “Iles Eparses”. Nanteriny fa efa filoha ny tenany ary minisitry ny Raharaham-bahiny, Ranjeva Marcel, ary tena mahalala ny momba izany. Nofaranany hatreo ny fanehoan-keviny amin’io raharaha io. “Izay ihany no azoko resahina”, hoy izy teny Ampitatafika.

Ny rafitra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Anisan’ny tolo-dalàna telo natolotry ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravaloma­nana Richard, hodinihin’ny loholona eny Anosikely, ny alakamisy 12 jona hoavy izao izany. Eo koa ny momba ny fanavaozana ny lalàna momba ny rafitra sy ny fivezivezin’ny olom-pirenena any ivelany.

Partager sur: