Fasimainty: Tsy niantraika tamin’ny fahasalamana ny andrana

Tsy ahina amin’ny fahasalamana ny fitrandrahana ambanin’ny tany. Manamarina izany ny géologue Valiarimanana Jean-Pascal.

Niasa tamin’ny sehatra ambanin’ny tany efa maherin’ny 20 taona i Valiarimanana Jean-Pascal. Manampahaizana amin’ny jeolojia sy ny harena an-kibon’ny tany. Nivoaka teny amin’ny oniversite Vontovorona, sady manana diplaoma MBA amerikanina. Mitazona andraikitra any amin’ny orinasa mitrandraka fasimainty atsy Mozambika izy, ankehitriny. Niasa amin’ny maha géologue tao amin’ny orinasa Toliara Sands, izay novidian’ny Base Toliara taty aoriana. Nam­barany fa efa nisy ny andrana teknika natao ny taona 2006 ary nahomby. Mirefy 10m x 10m ny halalin’ny lavaka natao, ka manodidina ny 70 ny mpiasa nanao ny asa tao amin’ny ozinina andrana, izay mponina any an-toerana ny ankamaroany. Mahatratra 500t ny akoram-pasika nohadihadiana araka ny voasoratra anaty bokin’andraikitra. Na­nara-maso ny natao rehetra ny ONE, ny sampana rano sy ala tao amin’ny minisitera, ny WWF. Ny febroary hatramin’ny oktobra 2006 no nanaovana ny asa, ary efa naverina tamin’ny laoniny ny toerana. «Nanaraka ny fenitra rehetra ny asa sy mpiasa. Misy ny fiofanana sy ny fitaovana na fiarovana manokana mahakasika ny «radioactivité». Tanjona ny tsy hifampikasohana ela loatra amin’ireo singa mety atahorana», hoy ihany izy. Notsoriny fa tsy nisy nanana olana ara-pahasalamana na iray aza tamin’ireo mpiasa miisa 70. Nanao fizahana tamin’ny dokotera tsy miankina tany Toliara, nialoha sy taorian’ny asa. Tsy maintsy toeram-pitsaboana mahaleo tena, manana fankatoavana iraisam-pirenena, toy izany, no manao azy. Nomarihiny, fa ahitana singa «radiation» daholo ny toerana samihafa, na ahitana fitrandrahana ambanin’ny tany na tsia. Mi­hena ny singa «radioactif», rehefa vita ny fitrandrahana fasimainty sy monanzita.

Ny rano
Mahakasika ny rano, nilaza i Valiarimanana Jean-Pascal fa any amin’ny 120 m ambanin’ny ranomasina ny hakana azy. Ary 50 m ambo­nin’ny ranomasina anefa ny rano ampiasain’ny olombelona. Araka ny voalaza ery ambony, tsy maintsy averina amin’ny laoniny ny endriky ny tontolo iainana aorian’ny bokin’andraikitra ara-tontolo iainana. Nofintininy fa mitondra fampandrosoana ny fitrandrahana harena ambanin’ny tany toy izay hita any Taolagnaro. Misy ny lalana, miroborobo ny fizahantany, ny varotra, miteraka asa, sns.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: