Manana ny hetsika ara-kolontsaina mampiavaka azy koa i Mandritsara. Hiditra amin’ny andiany faha-3 ny « Festival Sabôtsibe », izay hotontosaina ny 13 hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Nalaina tamin’ny anaran’ny tsenan’omby Sabôtsibe isaky ny tapa-bolana ao Mandritsara ny anaran’ny hetsika, satria hanasongadinana ny omby gasy no tena tanjona amin’izany. Tsenan’omby anisan’ny lehibe indrindra eto Madagasikara izy io, satria aman’aliny ny mandalo ao, ary mamatsy hena faritra maro hatrany Atsinanana, Analanjirofo sy Alaotra Mangoro i Mandritsara.
Ankoatra ny manodidina ny omby, hisy fandaharm-potoana maro manodidina ny hetsika, ka anisan’izany ny andiam-pampisehoana ao amin’ny kianjaben’i Mandritsara. Hifandimby an-tsehatra mandritra ny telo andro ry Paris, Kapitsany, Maman’i Tsôlôlô, Moopcan, Tence Mena ary i Sisca, mazava loatra. Ito farany izay sady zanak’i Mandritsara no anisan’ny be mpankafy indrindra any an-toerana. Eo koa ny fanentanana isan-karazany, iarahana amin’ny Yas Madagasikara, izay mpanohana ny hetsika.
Zo ny Aina