Fikambanana Imianta : Haneho firaisankina eny Atsimondrano

Eny amin’ny kaominina Bongatsara, distrikan’Atsimon­drano, no haneho firaisankina ny terak’Imady, ny alatsinain’ny Pentekosta izao. Mivondrona ao anatin’ny fikambanana Imianta izy ireo, izay efa misy an’arivony milaravinahitra eto an-dRenivohitra.
Fihaonana amin’ny endrika fitsangantsanganana voalohany izy ity taorian’ny nahazoana ny tany midadasika eny Anjo­ma­kely. Tany iombonan’ny fikambanana ho fihariana aoriana kely, raha ny fanazavan’ny filohan’ny Imianta, Tahian­janahary David. Niara-niasa tamin’ny solombavambahoakan’Ambositra no nahazoana ny tany.
Amin’io koa no hizarana ny karatra biometrika ho an’ireo mpikambana. Fitaovana hirakitra ny mombamomba ny mpikambana tsirairay hanamora ny fifandraisana sy ny fifanatonana rehefa misy fifampivondronana.
Miezaka manaraka ny teknolojia vaovao ny fikambanana izay tsy azo hiodivirana hisian’ny serasera sy hampifanakaiky hatrany ny mpikambana.
Ankoatra ny mpikambana anefa dia miantso ny mpirahalahy rehetra vonona ny hiaraka amin’izy ireo ihany koa ny terak’ Imady eto Antananarivo.

Tatiana A

Partager sur: