Fitaterana: Fiaraha-miasa Airtel Money sy ny Taxi-moto

Maherin’ny 2 000 ny mpikambana ao anatin’ny VMTM, izay ankatoavin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Vita sonia ny 31 mey teo ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money amin’ ny Vovonana mpitatitra taxi-moto mailaka (VMTM). Mifantoka amin’ny fanomezana akanjo fanamiana miisa 1 000 misy famantarana, sy karatra Sim miisa 2 000 efa misy kaonty Airtel money. Misy koa ny box internet napetraka ao amin’ny foiben’ny fikambanana ifandraisana. Nilaza ny tale jeneralin’ny Airtel money, Randrianarison Heritiana, fa « mitovy ny tanjon’ny roa tonta amin’ny fanomezana tolotra voaaro, haingana ho an’ny rehetra ». Hanamora ny fandoavana ny saran-dalana amin’ny finday izany. Ho mora fantatra sady azo antoka ny mpamily taxi-moto mitondra fanamiana. Tsiahivina fa efa misy ny fiaraha-miasan’ny Airtel Money amin’ny mpitatitra taxi-be, toy izao.

Njaka A.

Partager sur: