Toy ny fanaony isan-taona, rehefa volana jona tahaka izao, manatanteraka ny vavaka ho an’ny tanindrazana sy ireo mpanala fanadinana ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF) eo anivon’ny FJKM Amparibe Famonjena. Tontosaina ao anatin’ny teny filamatra: “Zanahary ô! Tahio ny tanindrazanay”.
Fiarahan’ny vavaka sy ny zavakanto, hotanterahina ao an-toerana, ny alarobia 25 jona manomboka amin’ny
6 ora hariva. Hiavaka ity andiany faha-23 ity, satria, ho vahinin’izy ireo ny antoko mpihira Anjomaran’ny fitiavana avy ao aminy FJKM Tranovato Fitiavana Toamasina. Ankoatra izay, hanamafy ny fiarahan’izy ireo izay efa nisy hatramin’izay i Henri Ratsimbazafy. Ankoatra ny fikaloan’ny tsirairay ny hirany, hisy ny fampiaraham-peo eo amin’ny RFF sy ity mpanakanto zokiny kalaza ity.
Amin’izao andiany faha-23 izao, hahatratra hatrany amin’ny 30 mahery ny hira nomanin’ny RFF ho an’izay rehetra hanatrika ny fotoana. Ao ireo efa nahalalana azy ireo izay tsy afaka ambavan’ny maro sy ny hira vaovao. Ho raitra tanteraka ny seho satria ao anatin’ny feo sy hazavana matihanina no hanaovana ity seho tsy nasiana vidim-pidirana ity.
Teny hifampaherezana ho an’ny andiany faha-23 ny soratra masina nalaina tao amin’ny Genesisy toko faha-32 andininy faha-27 manao hoe: “Tsy avelako handeha ianao, raha tsy tahinao aho”.
HaRy Razafindrakoto