Herinandro ho an’ny fahasalamam-bahoaka : Ampiarahana ny fanaovam-baksiny sy ny fora zaza

Tohizana ny ezaka rehetra vita amin’ny fanaovam-baksiny tsy hampidina ny tahan’ny zaza voaaro amin’ny aretina. 91 ny distrika voakasika fa ny 56 amin’ireo no tena laharam-pahamehana.

Natomboka omaly, teny amin’ny CSB II Anosiza­to Andrefana, ny Heri­nan­­dro ho an’ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny sy ny he­tsika “fora zaza faobe” miaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasa­a­mam-bahoaka sy ny mpiray ombon’antoka. “Telo ny fanamafisana ny fanaovam-baksiny fa voalohany amin’ity taona ity no nosantarina omaly, hotanterahina amin’ny distrika 91”, hoy ny minisitry ny Faha­sa­la­mam-bahoaka, profesora Randriama­nan­tany Zely Arivelo. Namba­ran’ny Sampan­draharahan’ny Firenena mikambana momba ny fahasalamana ny volana mey lasa teo fa afaka amin’ny valanaretina poliomelita i Madagasi­kara. Satria, tsy nisy tranga vaovao intsony nanomboka ny volana septambra 2023. Zava-dehibe ny manohy ny fanaovam-baksiny mahazatra miaro amin’ ny aretina 11 isorohana ny fiverenan’ny tranga vaovao sy hampidina ny tahan’ny ankizy vita vaksiny. Tsapa ny vokatry ny asa fanentanana rehetra natao niaraka tamin’ny fitarihan’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika izay reny mpiahy ny fanaovam-baksiny sy ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
400 000 ireo zaza tsy mbola nahazo fatram-baksiny mihitsy hoezahina ho vita anatin’ny fanamafisana.
400 miliara Ar ny sora-bola nampiasaina amin’ny fanaovam-baksiny tao anatin’ny dimy taona, ny 1/3 nividianana ny vaksiny ary nampiasaina amin’ny hetsika fanatanterahana sy ny karaman’ny mpisehatra ny ambiny.
Nifanindran-dalana amin’ny Herinandron’ny fanaovam-baksiny ny fora zaza faobe fanao isan-taona amin’ny vanim-potoana ririnina tahaka izao. 30 000 isan-taona ny zaza voafora maimaimpoana manerana ny Nosy miaraka amin’ny mpiasan’ny fahasalamana. Manerana ny Nosy ny hetsika hanampiana ny ray aman-dreny. Midina eny ifotony ny mpiasan’ny fahasalamana manatona vahoaka.

Vonjy

Partager sur: