Tomefy olona teo amin’ny Village Touristique Mahajanga, omaly maraina, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny sorona na Aïd al-Adha na koa Idy Be, niarahan’ireo mpino silamo rehetra any an-toerana. Ho an’ireo olona manaraka ny foto-pinoana silamo, ny Aïd al-Adha dia fety iarahan’ny mpino silamo maneran-tany ho fahatsiarovana ny nanaovan’i Abraham sorona an-janany noho ny fitiavany an’Andriamanitra araka ny voalazan’ny Korano Masina. Maro ireo tomponandraiki-panjakana nanatrika izany fotoam-bavaka lehibe izany ka anisan’izany ny Governoran’ny faritra Boeny, Mouktar Salim. Nanatrika izany koa ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, Marson Moustapha Abdulah. Teo koa ireo teratany kaomorianina miasa sy monina eto amintsika. Raha ny zava-nisy tany an-toerana, nisy ny fanaovana sorona tamin’ny alalan’ny nofon-kena mitam-pihavanana (famonoana omby, ondry ary osy). Nifampizarana tamin’ireo olona manodidina rahateo izany, araka ny toe-tsaina nahafantarana ny mpino silamo dia ny fitsinjovana ny mpiara-belona. Marihina fa samy nankalaza ity fety lehibe ity avokoa ny isaky ny renivohi-paritany enina eto Madagasikara. Rehefa tonga ny fotoan-dehibe toy izao, misy hatrany ny fifamelana sy ny fitsinjovana manokana ireo olona sahirana.
Jean Claude