Tsy hita be ihany ny fivoaran’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Mivoaka miditra toa lelon-jaza izay manao fanambarana. Mbetika fotsy, mbetika mainty. Mbetika izaho, mbetika tsy izaho. Mivadibadika toa lela may ireto mpanao politika. Sanatrian-dresaka manao sain-jaza tsy ampy fahamatorana. Mandroso mihemotra amin’ny zotra tiany harahina.
Tsy hay ny kajikajy miainga any ambadika rehetra any. Toa misy tsy mahandry tantana. Misy tendan-kanina tsy mahalala onina. Misy ny mamba noana te hanao rapa-dango. Asa hanao ahoana izy ity? Politika tsy politikam-pampandrosoana fa politikan’ny paosy ny ankamaroany. Baikoin’ny fitiavan-tena izy mianakavy, hany ka tsy mitombina amin’izay fanapahan-kevitra raisiny.
Na izany aza, tsy azo hodian-tsy hita ny ezaka ataon’ny mpitondra hatreto. Miasa ny Filohan’ny Repoblika. Indrisy anefa fa tsy ilaozan’izay mpanao volo mpanoha-randrana. Ao anatiny ihany no manatsatso. Manao fandonto iray tandroka ka manimba ny sarin’ny fitondram-panjakana iray manontolo.
Tsy mendrika toe-javamisy toy izany intsony i Madagasikara. Mila fitoniana anatin’ny firaisankina. Rehefa tena handroso amin’ny fampandrosoana dia tokony tsy hitoditodika ivoho izany. Tsy tokony ho ny mpiray familiana no mifamotika an-toerana. Rehefa any aloha ny fiaraha-mirona dia miridana mankany daholo.
Tsy vanim-potoan’ny zarazarao hanjakana izao fa fotoan’ny fifanomezan-tanana. Malagasy iray tsy mivaky no afaka mamaky ny rindrin’ny fahantrana. Izay maningana ihany no vizaka, izay mivezivezy tsy amin’antony ihany no vakivaky tongotra. Tsy mila fihemorana ny tanindrazana!
r.r