Natao tetsy amin’ny FDL Anosy ny fivoriana momba ny fampiharana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony. Nitarika izany ny avy eo anivon’ny Pnud sy ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina.
Nivoitra tamin’izany fivoriana natao ny alarobia teo izany ny fifampizarana sy fandinihana ny fandrindrana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’ antoka. Eo koa ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo olom-boafidy vaovao, toy ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fanangonana hetran-tany sy ny momba ny fitantanana ara-bola eo anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.
Tanjona tamin’ny fivoriana ny hanitarana ny tosika mba ho tonga hatreny ifotony sy hanerana ny Nosy. Eo koa ny hanatanterahana antsakany sy andavany ireo singa mandrafitra ny Fandaharanasam-pirenena ho amin’ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) ary koa ny fampifanarahana ny fanavaozana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanarenana ara-bola amin’ny sehatry ny daholobe.
Fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana…
Manampy izany ny hanamafisana ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpiara-miombon’antoka mba hahatanteraka ny fitsinjaram-pahefana sy ny fitantanana ifotony.
Tsiahivina fa anisan’ny nandray anjara tamin’izao fivoriana izao ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF). Anisan’ izany ny eo anivon’ny masoivohon’i Frantsa, Nexus, Pnud, ny fiaraha-miasa Frantsay AFD, ny avy amin’ny tetikasa Mionjo sy ny avy amin’ny tetikasa Rindra, iarahana amin’ny Amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID ary ny avy amin’i Alemana, ny GIZ.
Synèse R.