Solombavambahoaka teo aloha : Manentana ny Malagasy hanaja ny rafitra sy ny Filoha

Noho ireo fanehoan-kevitra misy any amin’ny haino aman-jery sy miparitaka any amin’ny tambajotran-tserasera, manentana ny vahoaka malagasy ny vondron’ny Solombavambahoaka teo aloha, miisa 32 mianadahy. Avy amin’ny antoko Irmar izy ireo, ary ny hanajana ny soatoavina malagasy, ny filoham-pirenena ary ny rafi-panjakana misy eto Madagasikara no nanaovan’izy ireo antso. Nilaza ireto olom-boafidy teo aloha ireto, ny alarobia teo, tetsy Ivandry, fa efa nofidin’ny Malagasy ho filoha mpitarika mankany amin’ny fandrosoana ny filoha Rajoelina Andry. Mendrika ny ho hajaina, amin’ny maha ray aman-dreny azy izy mba hahafahany ma­mita ny asany. Nomarihin’izy ireo koa fa efa nomena toerana eny anivon’ny Antenimie­ram­pirenena ny mpanohitra. Tokony ho amin’ny alalan’ny politikan’ny filoha no hanaovana tsikera, fa tsy ekena ny fanalam-baraka hatao amin’ny filohana andrimpanjakana. Na koa ny fanaovana ny tsikera amin’ny fiainan’olona manokana. «Tsy mendrika ny filoha ny filazana: Andao hanao iray sy iray eo amin’ny 13 Mey. Filoham-pirenena ve no hangatahanao iray sy iray eo amin’ny an-kianja? Aminay dia tsy mety ny manao politika tahaka izany», hoy ireto depiote teo aloha ireto. Nomarihin’izy ireo hatrany fa olom-pirenena ihany izy ireo ka mananjo hiteny sy hiaro ny firenena ary ny rafi-panjakana mijoro. Ma­nozongozona ny rafi-panjakana misy ny tsy fanajana ny Filoham-pirenena ka aoka ny Malagasy ho saro-piaro amin’ny fireneny sy ny safidiny. Tsy hanaiky fanakorontanana izay ambolen’ny sasany, hoy ireto vondron’ny parlemantera teo aloha ireto.

 

F.R

Partager sur: