TARATRY ny KANTO

«Loko iray». Ity ilay fampisehoana anisan’ny andrasan’ny maro amin’ity faran’ny herinandro ity. Ny alahady 8 jona, ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina no hifandimby an-tsehatra ry Njara Marcel, Johanne, Nate Tex, Aya ary i Nampoina. Hisy fampiaraham-peo maromaro, araka izany, homanin’ireto mpanakanto ireto, hanehoana ilay lohahevitra.
Fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Mifanaretsaka ny fanontaniana. Mahaleo tena marina ve i Madagasikara hita amin’izao fotoana izao? Amin’ny ankapobeny, tsy misy sehatra (kolontsaina, toekarena, politika sy fitantanan-draharaha, fanatanjahantena…) na iray aza tsy hiankinandoha amin’ny vahiny ny fampandrosoana na fampivelarana azy raha ny zava-misy eto.
Manana ny maha izy azy «hono» ny Malagasy. Efa nampiasainy amin’ny tokony ho izy ve ireo maha izy azy ireo? Hatramin’izao, toa tsiambaratelon’ireo izay mahay izany ihany ilay «maha izy azy»… Kanefa ange lazaina fa ny Malagasy no mahay azy ireny e! Inona izany ilay hoe «maha izy azy»?

Partager sur: